|
|
|
|

Teny iditra1 ranoray
Singan-teny  2rano, 3iray
Sokajin-teny  4 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  5Enti-milaza loko maro mitambatra ka manjary tokana lehibe, bambaray: Irony loko samy hafa atentin' ny habakabaka / milahatra mirindrarindra, milanto mifanapatapaka / kanjo nony kelikely mihanaka ho ranoray.
6(Haeckel A.)
.
7Mitovy tantana: Tondraka ny rano manodidina ny tanàna, ka tsy nisy havoana sy lemaka intsony, fa ranoray no fitazana azy. [1.1]
8tokam-pangaro. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  [rano ray] 9Covered, diffused, overflown, overspread, uniform, universal.. [1.2#500]
Fanazavàna teny frantsay  [rano-ray] 10grande surface couverte d’eau; de même niveau, de même hauteur; universel, couvert tout entier, comme d’une seule plaie, d'une sueur générale. [1.3#510]
11homogène. [1.13]
Ohatra  12 Mirebareba akanjo mainty ranoray aho rehefa tena miasa. [2.445#]
13 Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao Nanova ny tontolo tony ranoray; [2.576#]
14 Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [2.472]
Tsipelina hafa  15rano iray, ranoiray

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02